- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers42 tapitrisa ariary nangalarina : Nentina nirevena teny amoron-dranomasina

42 tapitrisa ariary nangalarina : Nentina nirevena teny amoron-dranomasina

Any Toamasina, eny amoron-dranomasina ranamana no nisy nahita. Izy, ilay ankizilahy 17 taona, vao namoahan’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona filazana fampikarohana noho ny halatra volabe nataony tamin’ny mpampiasa azy. Araka ny fantatra dia vola mitetina eo amin’ny 42 tapitrisa ariary teo ho eo no nentin-dranamana nitsoaka. Niala teto an-drenivohitra araka izany ny tovolahy, rehefa nahazo io volabe io ary nandeha nihazo moron-dranomasina. Nanantena ny tsy hisy hahita kanjo …

Ny 08 febroary lasa teo no nivoaka ny filazàna fikarohana nataon’ny teo anivon’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona tetsy Tsaralalàna rehefa notorin’ny olona tompon’ny vola ny ankizilahy kely 17 taona, nangalatra volabe tao aminy. Mazava ho azy, fa efa tsy hita tany nanjavonana intsony ranamana taorian’ny nahavitàny ny « opération ». Ny 15 febroary lasa teo, rehefa niparitaka ny filazàna fampikarohana azy dia nisy nahatsikaritra teny amin’ny sisin-dranomasina tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao ity tovolahy kely ity. Niditra an-tsehatra avy hatrany pôlisy tany an-toerana, ary nisambotra azy. Nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona tao Toamasina ingahirainy taorian’izay, ho amin’ny famotorana azy. Tsara marihana, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo fa mbola hita teny aminy ny ambim-bola, 40 tapitrisa ariary. Efa nohaniny nandritry izay fe-potoana vitsivitsy izay araka izany ny 2 tapitrisa ariary. « Ho alefa eny amin’ny biraon’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalàna ity tovolahy ity ho tohin’ny fanadihadiana » hoy hatrany ny vaovao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici