
Vao maraina omaly, dia efa nirefodrefotra ny basy omaly teny amin’ny lalam-pirenena RN1 Bis, izay mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano. Fiara tsy mataho-dàlana izay niala teo Tsiroanomandidy ary handeha ho any amin’ny orinasa Madagascar Oil, any Soala no niharan’ny tifitifitra nataon’ny jiolahy. Miisa efatra eo ireo olon-dratsy ary nitazona basim-borona. Izany rahateo no nampiasain’izy ireo. Manodidina ny tamin’ny valo ora sy sasany maraina no nitranga ny fanafihana. Notifirina variraraka ireo jiolahy. Ny fiara tsy mataho-dàlana izay nitondra ny mpiasan’ny orinasa izay voalaza etsy ambony sy ny zandary telo nanatontosa no nokendren’ireo tamin’izany. Ary dia voa tokoa ny olona dimy tao anatin’ny fiara. Maty tsy tra-drano ny olona iray ; izay raha araka ny fanamarinam-baovao natao dia « chef de mission ». Naratra mafy kosa ny roa tamin’ireo zandary izay voa teo amin’ny tanany ny iray ary teo amin’ny lamosiny kosa ny faharoa. Mbola nisy mpiambina sivily iray koa voatifitra, ankoatry ny olona iray hafa mpiasa eo anivon’ilay orinasa voalaza. Teo amin’ny toerana iray izay tokony ho fito kilaometatra hidirana an’Ankalalo no nitranga ilay fanafihana. Tsy nisy nanam-po ny zava-nitranga ny rehetra tao anatin’ny fiara no avy hatrany dia nisy poa-basy tampoka. Soa fa tsy nijanona ny mpamily, fa mba nitsoaka avy hatrany ny toerana na dia teo aza ny maty sy ny naratra. Izany no fomba tsy nahatontosa ny fandrobàna ireo olona tao anatin’ny fiara. Raha ny fantatra, dia fiara roa izay samy tsy mataho-dàlana no nifanaraka tamin’ity dia nihazo an’i Soalala ity. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly ny naratra mba hanavotana ny ain’izy ireo. Misy ny miady amin’ny fahafatesana noho ny tifitra nahazo azy ireo, toy ireo zandary roa. Raha ny fanamarihan’ny mpitandro ny filaminana, dia diam-bala fito no hita teo amin’ilay fiara. Azo eritreretina fa manana fahaizana amin’ny fitifirana ihany ireto jiolahy ireto, satria ny dimy tamin’ireo bala fito nampiasain’izy ireo izany dia nahavoa olona hatrany. Tsy vao izay no nisy ny fanafihana tamin’ity lalam-pirenena RN1 Bis ity ary efa nisy ny nahafaty olona. Isan’ny antony nanasiana zandary ao anatin’ny fiara izay mivezivezy amin’iny toerana iny izany. Dia mbola misy sahy ny manafika hatrany anefa na teo aza izany fepetra efa noraisina izany. Sahy maty ny jiolahy mpanakan-dàlana…
D.R