- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-Divers4x4 notafihan’ny jiolahy : Olona dimy naratra mafy, roa voaolana

4×4 notafihan’ny jiolahy : Olona dimy naratra mafy, roa voaolana

Mahazo vahana mihitsy ankehitriny ity resaka fanakanan-dàlana eny amin’ny lalam-pirenena ity. Ny faran’ny herinandro lasa teo indray mantsy, dia fiara tsy mataho-dàlana iray no lasibatry ny mpanakan-dàlana, teo amin’ny PK14, fokontany Antsampandrano, kaominina Ambohibary ao amin’ny distrikan’i Faratsiho teny amin’iny lalam-pirenena faha-43 iny . Vokany, mpandeha dimy tao anatin’ity fiara ity no naratra mafy, vokatry ny vono nataon’ireo olon-dratsy. Vola sy entana miteti-bidy an-tapitrisany kosa no lasan’izy ireo. Tsy vitan’izay anefa, fa mbola nisy vehivavy roa tao anaty fiara nampiharan’ireo olon-dratsy ny filan-dratsiny, ka simba tanteraka. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nitondra olona sivy ity fiara tsy mataho-dalana ity, avy any Faratsiho, handeha hitodi-doha ho any Antsirabe . Nony tonga teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io anefa ny fiara, dia tsy afaka nandeha intsony nony ireo vato marobe napetrak’ireo olon-dratsy. Teo amin’ny enin-dahy teo ireo jiolahy raha ny vaovao hatrany ary nitondra basy sy zava-maranitra. Noteren’izy ireo hivoaka avokoa ireo mpandeha no mbola nodarohany. Ary tsy namelan’izy ireo raha tsy vita izay zavatra nokasainy. Tsy vitan’ny nandroba mantsy fa mbola nanolana ihany koa ireo tovavavy tao anaty fiara. Nentina namonjy hôpitaly haingana tao Antsirabe moa ireo naratra ireto. Ary ny ampitso vao nampandre ny mpitandro filaminana izy ireo. Efa tsy nisy na inona na inona azon’ireto farany natao intsony araka izany, satria na dia efa nanavaona savahao aza ny manodidina, dia nanjavona tanteraka ireo mpanafika. Na izany na tsy izany, dia efa nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireto farany izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici