- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireENSOA ANTSIRABE :  61 TAONA NIORENANA

ENSOA ANTSIRABE :  61 TAONA NIORENANA

Nandritra ny fanamarihana ny 1 febroary tao amin’ny ENSOA

Ny ENSOA na Ecole des Sous officers des Armés  no sekoly tokana manofana manamboninahitra lefitra eto amin’ny Nosy.

Nifanindry an-dalana ny fankalazana ny andron’ny manamboninahitra lefitra sy ny fanamarihana ny fa 61 taona niorenan’ny sekoly ny datin’ny 01 Febroary lasa teo.

Lanonana ara miaramila natrehan’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny foloalindahy ny Jeneraly Ramasy Heritiana teo ambany fitarihan’ny Kolonely Razafitombo Leva no nentina namarihana ity daty manan-danja ity ho an’ny ENSOA.

Ankoatra izay, notokanana tamin’ity fotoana ity ny fotodrafitrasa nentina nanamarihana ny faha 61 taona niorenan’ny sekoly, isan’izany ny efitrano fihetezam-bolo sy ny  FRAD Centre de “Formation de Réinsertion et d’Appui de Développement”  na ivon-toerana anarahana fampihofanana arak’asa  azahoan’ireo tanora manao fanompoam-pirenana. Fantatra fa mivelatra amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ny sekoly ankehitriny.

Nanome voninahitra ny fotoana ny governoran’ny faritra Vyvato Rakotovao , niaraka tamin’ny prefet an’Antsirabe notronin’ireo olo manan-kaja miaramila sy sivily eto Antsirabe

 Andry N.                

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici