- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-Divers67 Ha : 20 lahy nanendaka olona telo mianaka

67 Ha : 20 lahy nanendaka olona telo mianaka

Ny alakamisy maraina tokony ho tany amin’ny 2 ora tany ho any, handeha hody avy niasa ny olona telo mianaka, lehilahy lehibe iray ary vehivavy roa, no nifanehatra tamina andiana mpanendaka. Voalazan’ny vaovao fa miisa hatrany amin’ny 20 any ireo olon-dratsy. Teo amin’ny parking no niseho ity asan-jiolahy ity. Tamin’ny tsy nampoizin’ireto olona ireto mihitsy no indreny nipoitra tampoka ireo bandy ireo. Avy hatrany dia notaritin-dry zalahy tany amin’ny toerana takona anaty elakelatrano ireto olona nendahany ireto ary tsy afaka namaly noho ny isa tsy mitovy. Rehefa izany dia niharan’ny daroka teo ry zareo ary dia naratra. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa nosavain’ireo mpangalatra  izy telo mianaka ary tamin’izany no nahalasanany ny vola mitenina hatrany amin’ny iray hetsy ariary. Lasa ihany koa ny telefonina rehetra. Raha vao nahazo ireo zavatra ireo ry zalahy dia lasa nandeha. Anisan’ny faritra anjakan’ny mpanendaka eny amin’iny faritra iny.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser