Ankizivavy iray mipetraka miaraka amin’ny rainy eny amin’ny faritry ny 67Ha no fantatra fa naolan’ny dadatoany nandritra ny roa taona. Araka ny filazan’io rainy, io tonga nanome ny vaovao, dia nisy havany avy any lavitra niangavy azy hipetraka ao aminy satria voatendry hiasa eto an-drenivohitra. « Tsy nasiako olana izany satria havana ihany izy io », hoy ilay raim-pianakaviana. Nampiany izany nanao hoe, « amin’ny fotoana tsy maha ao an-trano ahy no nanaovany izany tamin’ny zanako ». Nilaza ity lehilahy ity fa matetika no miasa andro sy alina ka ankeviny tamin’izany fotoana izany no nampitsiry ny filan-dratsin’ilay rahalahany. Efa taona vitsy lasa moa no niseho ity fanolanana ity nanomboka ny 2013 ka hatramin’ny 2015. Fantatra izany tamin’ny fanontaniany ny zanany. Nentina tany amin’ny dokotera ilay ankizivavy ka teo vao gaga rangahy fa efa simba. Tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa mihitsy ilay raim-pianakaviana tamin’izany satria voalazany fa natoky loatra ilay rahalahany. Ny filazany hatrany no nahafantarana fa nanomboka tamin’izany fotoana izany, tsy nandeha araka ny tokony ho izy intsony ny fianaran-janany. Nanala fanadinana BEPC ilay ankizy vavy fa tsy afaka. Tsy maharaka intsony koa izy any am-pianarana. Nanomboka teo, tsy nipetraka tao amin-dry zareo intsony ilay rahalahany satria voatendry hiasa tany Miarinarivo, hoy hatrany ny rain’ilay ankizy.
Tamin’ny alarobia teo no niatrika ny Fampanoavana ity dadatoa ity ary fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Araka ny filazan’ny rain’ilay ankizivavy anefa dia toa misy ny fifampiraharahana nataon’ilay lehilahy saingy tsy nanaiky izany izy.
Nangonin’i r.s.