Efa tena mampihorohoro vahoaka fatratra mihitsy raha ny asan-jiolahy eto Andrenivohitra. Tovolahy iray, manodidina ny 26 taona, indray no nisy namono rehefa avy noendahina tetsy 67 ha atsimo ny alin’ny talata 23 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any. Voalaza fa mpianatra amina oniversite lehibe tsy miankina iray eny an-toerana ity nisy namono ity. Avy nianatra izy ary andeha hamonjy fodiana eny Itaosy izao efa nisy niandry kendry tohana teo amin’ny fiantsonan’ny « bus » izao. Avy hatrany dia noendahin’ireo jiolahy ny kitapo teny aminy. Raha niezaka nanohitra izany anefa ity farany dia voatsatoka antsy teo amin’ny tandrifin’ny fony ka nahafaty azy tsy tra-drano. Vokany : lasan’ireo mpanendaka ny kitapo nisy ny solosaina fianarany sy ny finday ary fitaovana samihafa izay tao anatiny. Lasa nirifatra nitsoaka ireo jiolahy fa ilay tovolahy kosa dia nidaraboka teo am-povoan’ny arabe ary nihosin-drà tanteraka. Ireo olona nahita ity farany no nitatitra azy haingana teny amin’ny hopitaly saingy efa tsy nisy aina intsony izy. Efa tonga nijery ny razana teny amin’ny tranom-paty ny fianakaviany ny alina nisehoan’ny loza ihany. Efa eo am-pelatànan’ny borigady misahana ny heloka bevava (Brigade criminelle) ihany koa ny raharaha. Misokatra araka izany ny fanadihadiana sy ny famotorana.
Niony H.