Ramatoabe iray mananika ny 60 taona no niakarapoka tamin’ny tany ka torana, ny asabotsy tolakandro teo, tetsy 67 ha Atsimo, tsy lavitra ny « arrêt 30 ». Noheverin’olona ho mamo ity ramatoa nianjera ity dia notazanim-potsiny izay nitolefika tamina vala vy arofanina sy fisorohana ny loza amin’ny toerana fiandrasana taksibe. Mpandeha an-tongotra iray tsara sitrapo no namelom-belona azy teo ary nitondra ilay ramatoa safotra tany amin’ny mpitsabo. Tsy fantatra mazava, na noho ny hanoanana na nihetsika ny aretiny nety nitaiza azy no antony nahatonga an’ity ramatoabe ity ho safotra tampoka teny an-dàlana. Ny herinandro iny, tetsy amin’ny tranon-jiro 67 ha Atsimo Antetezana Afovoany, ramatoabe iray sahabo ho 60 taona handeha hamonjy faty eny Itaosy no nitambositra teny am-pandehanana ihany koa, ary maty teo amin’io toerana io.
Eric Man