- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha Atsimo : Ramatoa voanendaka tao anaty fiarany, lasa ny vola...

67 Ha Atsimo : Ramatoa voanendaka tao anaty fiarany, lasa ny vola an-tapitrisany

Nitrangana fanafihana nahaverezana vola an-tapitrisany indray tetsy amin’ny 67 ha Atsimo, ny asabotsy maraina teo, tokony ho tamin’ny sivy ora mahery. Fiara 4×4 nentina ramatoa iray nijanona teo anoloana tranombarotra sinoa mpivarotra môtô sy kojakoja fanamboaran-trano no nidirana telolahy an-keriny. Tsy nisy alaharo fa tonga dia nobedain’ ireo jiolahy ilay ramatoa tao anaty fiarany. Raikitra avy eo ny fisintonana ny poketrany izay feno vola an-tapitrisany (10 tapitrisa mahery) saika hividianana entana.

Raha vao nahazo ny rembiny ireo olon-dratsy dia lasa nitsoaka ary niditra ny elanelan-trano amin’ny cité iny, fa ramatoa tompom-bola voaendaka sy voatafika kosa nangasihasy tsy nahita izay hatao. Hany heriny niantso ny fianakaviany sy ny mpitandro filaminana. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao, dia efa narahin’ ireto jiolahy ireto maso ity ramatoa ity, satria raha vao nijanona ny fiara tsy mataho-dalana nentiny, dia avy hatrany raikitra ny “ opération “-n’ireo jiolahy.

Gaga sina tsy nisy nahateny ny nanatrika teo satria haingana loatra ny “ action ”. Ny olona koa matahotra ny ainy sao mitondra basy ireo jiolahy ka mitifitra. Faritra mena sy mafana amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy asa fanendahana 67 ha tato ho ato. Mila mitandrina hatrany fa tsy kely làlana ny mpanao ratsy sahy maty amin’ izao.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser