Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray omaly maraina teny 67 ha Atsimo, akaikin’ny fiantsonana taksibe 30, tokony ho tamin’ny 9 ora teo. Ramatoabe iray handeha hiantsena no safotra nondomina bisikileta nandeha mafy avy any Ampasika. Niampita arabe ity ramatoa be 70 taona ity, ka izy hiakatra ny “trottoir” iny no voadona. Nitrosona tamin’ny tany izy ary niakarapoka tamin’ny sisiny amin’ny lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra avy eo. Noho ny dona mafy nahazo azy dia nahitana ratra teo amin’ny lohany ary nivonto be mihitsy, safotra ilay ramatoabe. Ny olona nitangorona koa vao mainka nanempotra tsy nahafahany niaina firy. Novonjena nentina haingana tamina toeram-pitsaboana iray tsy lavitra teo ny niharandoza. Ilay lehilahy nandona kosa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka fa tsy nety nitsabo sy nitondra an’ilay ramatoabe. Raha tsy nalaky tonga ny zafin-dramama nandrara ireo olona efa niaka-pofona dia asa indray izay nahazo an’ity mpitondra bisikileta tsy tan-dalàna nandratra olona ity.
Manitrisa