- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha Atsimo : Renimpiankaviana voatsindron’ny mpanedaka antsy

67 Ha Atsimo : Renimpiankaviana voatsindron’ny mpanedaka antsy

Fiarovan’Andriamanitra no tsy nahafaty ity renim-pianakaviana ity omaly teny amin’ny 67 ha Atsimo. Niara-niatsena tamin’ny zanany vavy kely izy no nisy andian-jiolajy nanantona tampoka ary nisintona ny pôketra teny antanany. Tampoka ary tsy nisy nanam-po io fanafihana io. Niezaka niaro ny fananany anefa ilay ramatoa izay tokony eo amin’ny 50 taona eo ho eo. Niezaka niondrika izy ary namihina ilay pôketra nanandrify ny kibony. Nahita izany ny iray tamin’ireo jiolahy ka namoaka antsy lava lela ary tonga dia nanindrona ilay ramatoa teo amin’ny faritra nanandrify ilay pôketra. Niantefa teny amin’ny sandrin’ilay ramatoa anefa izany ka nadratra azy. Nihoraka niantso vonjy ity farany ka lasa nitsoaka  ireo joilahy. Teo vao nifamonjen’ny mpandalo izy mianaka. Indrisy fa efa ra nijininika no hita teo amin’ny sandrin’ilay ramatoa. Fa ny nahagaga dia 10 minitra taty aoriana vao tonga teny an-toerana ny polisy izay milaza fa efa manao hetsika manokana eny amin’iny toerana iny.

T.M

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici