Tsy nisy izay tsy variana ireo mpandalo omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora teo ho eo, tetsy 67 ha Atsimo, tsy lavitra ny fiandrasana taxi-be akaikin’ny biraon’ny Paositra Malagasy. Sipakely iray mpivaro-tena nanao fitafiana mihantsy lehilahy irony no nidaroka vazaha niaraka taminy imasom-bahoaka. Tsy hay nazava izay tena fototry ny olan’izy roa, fa ilay tovovavy nivazavazava no nanaitra ny teo amin’ny manodidina ary nampiherika ny mpandalo, ka valalanina ny rehetra nahita ny fihetsiny.
Raha ny fanazavan’ny mpivarotra enta-madinika iray tsy lavitra teo, sady mponina eny amin’ny manodidina, dia niara-nisotrosotro tamina « bar » iray tsy lavitra teo izy roa ireto, ary fomban’ity sipakely ity isaky ny mamo no mila vaniny sy ady amin’ny olona miaraka aminy. Niraradraraka ny teny ratsy sy ny ompa tsy faseho masoandro io omaly io. Hatramin’ny mpitazana aza nahazo ny anjarany. Hany herin’ilay vazaha efa nahazoazo taona ity nitsoaka noho ny henatra olona. Rakala kosa nivazavazava tsy nety nampanginina. Ankevitry ny niakatra angamba ny rano sy ala (toaka sy rongony). Hatramin’ny mpitandro filaminana nandalo teo aza nihomehy. Tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra !
Manitrisa