- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67 HA Atsimo : Tovolahy 19 taona nangalatra finday, tapa-tongotra

67 HA Atsimo : Tovolahy 19 taona nangalatra finday, tapa-tongotra

Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra, hoy ny fiteny. Tovolahy iray tokony ho 19 taona, nitsoaka avy nangalatra findaina ramatoa iray avy niantsena handeha hody tsy lavitra ny tranon-jiron’i Jirama Antetezana afovoany, nitsoaka no tapa-tongotra latsaka tao anaty « dalle » tetsy 67 ha Atsimo, ampitan’ny tobin-dantsasy Galana; làlana mihazo an’Ampasika tsy lavitra ny ny biraon’ny « Microcred » vaovao amin’izao, ny harivan’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny enina ora mahery.

Raha ny fanazavana azo tamin’ny angom-baovao teny an-toerana, dia saika voadonan’ny fiara ity tovolahy nitsoaka ity, izao latsaka tao anaty tata-drano izao, ary noraisim-potsiny. Efa mamomamo moa ity bandy ity izay nisotro galeoka tsy lavitra teo. Nihantra azy ilay ramatoa tompon’ilay finday noho ny ratra nahazo azy, ary nanakana ny olona nitangorona teo efa niakatrakatr’afo saika hamono azy. Raha ny nambaran’ny iray tamin’ireo nanatri-maso, dia monina tsy lavitra eo ity tovolahy mpanao sinto-mahery ity. Tato ho ato dia betsaka ny olona no mitaraina amin’ny asa ratsy samihafa amin’iny faritra 67 ha Atsimo iny. Na amin’ny andro antoandro aza sahy manafika ireo jiolahy mitam-piadiana. Mandry andriran’antsy ny mponina noho ny horohoro ary tsy mifampatoky intsony, ka tokony hamafisin’ny tompon’andraikitra ny fiarovana ny olona sy ny fananany. 

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser