- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha Atsimo : Vehivavy bevohoka nodomina taksibe, torana afa-jaza sy tapa-tanana

67 ha Atsimo : Vehivavy bevohoka nodomina taksibe, torana afa-jaza sy tapa-tanana

Tao anatin’ny orana nijojo afak’omaly hariva dia nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nandratrana olona indray tetsy 67 ha Atsimo (sampanan-dalana mankany Itaosy), tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any. Ramatoa iray 27 taona, mpivaro-gazety handeha hody, izay bevohoka dimy volana, niampita, no nodomin’ny taksibe iray, ka afa-jaza ary tapa-tanana mihitsy. Raha ny angom-baovao dia niampita tampoka ity vehivavy ity ka vaofaokan’ilay fiara fitateram-bahoaka nisosososo avy any, tsy tafajanona intsony tao anaty fiolanana. Nitrosona teo amin’ny arabe mihitsy izy, ka voatetin’ny kodiarana ny feny sy ny kibony.
Mpamily niharan’ny hatezeram-bahoaka. Vokatry ny dona mafy nahazo azy, torana tsy nahatsiaro tena ilay ramatoa. Mbola nisy aina kely ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Teny an-dalana anefa dia afa-jaza. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia tsy nijanona ilay taksibe nahavanon-doza fa nanohy ny diany. Nenjehin’olona ka tratra tao anaty fitohanana 200 metatra avy eo, tsy afa-nihetsika intsony. Noho ny hatezeram-bahoaka dia naratra vokatry ny daroka ny mpamily ary nahitana fahasimbana ilay fiara, voatora-bato.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser