Vao tsy ela akory izay no nitrangana hain-trano maro be teny amin’ny faritry 67 ha Avaratra Andrefana-Ankasina iny. Omaly, tokony tamin’ny 6 ora maraina teo ho eo, dia trano lehibe iray indray izay naorina vao haingana no kilan’ny afo. Trano lehibe misy rihana 3 moa izy ity ka ny any amin’ ny farany ambony izao nitrangana fahamaizana izao. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena fototry ny afo fa ny setroka mainty nivoaka avy teo amin’ireo varavarankely farany ambony no nanaitra ny manodidina. Mpanofa maro no mipetraka amin’ity trano ity. Ka raha ny loharanom-baovao azonay hatrany, dia tsy tao an-trano ireo mpivady mpanofa an’ilay rihana may fa nandeha namonjy lamesa maraina. Nanjavona tao anatin’ny iray minitra monja ny entana rehetra noharian’izy ireo hatramin’izay. Tsy nisy azo noraisina intsony moa na dia tonga ara-potoana teny an-toerana aza ny mpamonjy voina. Ireto farany moa dia tena nanao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy tamin’ny famonoana ny afo. Raha ny resaka nifanaovana tamin’ireo manodidina sy ireo mpiara-manofa amin’ny niharam-boina, dia mety ho avy amin’ny labozia nirehitra sy fatana « gaz » tsy nihidy no nahatonga izao loza izao. Manoloana izany rehetra izany dia miantso ny tsirairay handray ny andraikitra sahaza azy avy sy haneho fitandremana hatrany amin’ny fampiasana ireny fitaovana mampidi-doza isan-karazany ireny.
Niony H.