- Publicité SW45 -
dimanche, juin 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67 Ha Avaratra : Zaza roa taona namidin-jokiny telo alina ariary

67 Ha Avaratra : Zaza roa taona namidin-jokiny telo alina ariary

AMIDYFahasahiana tsy misy ohatr’izany ny an’ity zazalahy 11 taona, iray amin’ireo ankizy mpirenireny sy mpangataka etsy amin’ny 67 ha Avaratra Atsinanana, eo amin’ny « arrêt bus » akaikin’ny « parking », tsy tahotra sy henatra fa sahiny namidy telo alina ariary tamin’ireo olona sendra nandalo teo nangatahany sy mpiandry taxibe sasany, ny zandrikeliny vao roa taona latsaka kely monja babeny, ny asabotsy antoandro teo, tokony ho tamin’ny 11 ora. Tamin’ny voalohany nataon’ny olona mody adala izy, kanefa rehefa tena nozohina dia matotra ity varotra olona ity, satria nilaza ity ankizilahy ity, rehefa nanontaniana : « tsy manam-bola, reniko  mamolava hamelomana anay ary izaho noana be mbola tsy nisakafo hatry ny alina no reraka mibaby an-jandriko lava sady mangataka, ka aleoko avadiko « sifrà » any izy ho an’izay liana na maniry zaza, fa maina ny tsena ».Ramatoa iray niandry taxibe teo tsy nahatsindry fo nihoraka raha naheno izany, ka nampitahotra azy hiantso polisy, raha nihomehy sy nihanihany ireo olona teo efa nandre ity bizina hafakely ity. Tsy taitra zandry kely nandeha sady nangarika ilay ramatoa nifindra lasy tery am-pita nanohy nangataka.

Mirongatra. Mahalasa saina ihany ny tranga toy izao, ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra, satria tsy vao izao no nisy/nahenoana trangana varotra olona teto amintsika. Niarahan’ny mpanara-baovao nahalala ny tranga teto an-drenivohitra ny volana septambra ity teny Mahazo Ankadindramamy, nivarotan-dreniny ny zanany lahy kely vao dimy volana iray hetsy ariary tamina olon-tsotra manam-paniriana ny hanana zanaka. Toy izany koa ny tranga tany amin’ny faritra Sava, ankizivavy 12 taona tsy afaka Cepe namidin’ny raibeny tamina mpanambola. Santionany fotsiny ireo.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser