- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Bandy iray nahatrarana basy vita gasy

67 Ha : Bandy iray nahatrarana basy vita gasy

Ny harivan’ny 30 aogositra no tratran’ny polisy ny lehilahy iray fantatra fa nangalatra tao amin’ny trano teny amin’ny 67 Ha io andro io. Ny BC3 no nanao ny fanadihadiana. Tamin’ny herinandro lasa iny no nivahiny tao amin’io trano voalaza etsy ambony io ity lehilahy 33 taona ity. Tapitra nangalariny anefa ny entana tao amin’ity fianakaviana nampiantrano azy ity. Tamin’ny talata teo dia hitan’ilay tompon-trano teny amin’ny faritry ny 67 Ha ny anao lahy. Notazonina teo. Niezaka nandositra anefa izy ka tamin’izany no latsaka avy any ambalahany tany ny basy iray vita gasy sy bala miisa telo calibre 9m/m.  Natao tao anaty “sac banane” ireo zavatra ireo. Tonga teny an-toerana ny polisin’ny 7eme arrondissement ary nentina nohenoin’ ny polisy misahana ny ady heloka be vava sakelika fahatelo etsy Anosy. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa nisy nifandraisany tamin’ilay fanafihana grossiste tetsy Antsalovana ny 19 aprily 2016 izay nahafatesana olona iray ity lehilahy ity. Saika isan’andro ny asa ratsin’ny mpanendaka sy ny jiolaly isan-karazany eny amin’ny faritry ny 67 Ha. Vao tsy ela akory izay no sarona teny amin’ny faritra iny ny mpanendaka efatra nanakana olona handeha hody. Teo ihany koa ny jiolahy nanafika mpandeha an-tongotra teny Anosipatrana. Soa fa tadidin’ilay olona voaendaka ny iray ary dia noraisim-potsiny izy rehetra avy eo. Natolotra ny Fampanoavana androany 2 septembre 2016.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici