- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Bevohoka, nosamborina fa mpangarom-paosy

67 ha : Bevohoka, nosamborina fa mpangarom-paosy

Feno mpangarom-paosy eo  amin’ny cité des 67ha sy ny manodidina azy. Miandahy miambavy izy ireo ary ny tena tsy ampoizina aza, dia misy hatramin’ny bevohoka no manatontosa an’izany asa ratsy izany. Toy izay nitranga ny talata teo, tamin’ny toerana izay tsy mifanalavitra amin’ny paositra malagasy. Vitan’ilay ramatoa mitondra vohoka tsara ny nisintona tsimoramora ny vola  tao am-paosin’ny vehivavy iray nandeha an-tongotra. Ny tsy nampoizin’ilay ramatoa bevohoka, dia hay efa nisy polisy nanao fanamiana sivily  nanara-maso ny fihetsiky ny mpandeha teo ampita teo.  Noraisim-potsiny arak’izany itsy voalohany ary naverina tamin’ny tompony ny vola mitentina 20.000 ariary; izay noharoniny. Tsy izay ihany ny tranga harom-paosy  fa nisy hafa koa. Mbola teo amin’ny manodidina ihany, polisy manao fanamiana sivily hafa indray no nahasambotra tovolahy iray izay nisokitra paoketran’olona mpandeha an-tongotra. Vehivavy no lasibatra ary roa lahy kosa ny mpanatontosa ny asa ratsy. Ny iray miditra an-tsehatra ary ny iray miezaka mipetraka eo akaiky mba hanafenana ny fihetsika tsy ho hitan’ny olona. Voasambotra ny iray rehefa narahan’ny polisy maso ary ny iray kosa tafaporitsaka. Nidoboka am-ponja avokoa izay voasambotra rehefa natolotra ny fampanoavana, omaly. Raha ny tsikaritra, dia mahomby ny fisian’ireo polisy manao fanamiana sivily ary manara-maso eny amin’ny toerana be olona, isan’izany ny fiantsonan’ny fiara iombonana. Tsara halain’ny boriborintany hafa tahaka…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici