- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Fivarotana dimy kilan’ny afo

67 Ha : Fivarotana dimy kilan’ny afo

Izao sisa tavela tamin’ireo trano fisakafoana mahasarika olona marobe
Izao sisa tavela tamin’ireo trano fisakafoana mahasarika olona marobe

Tsy hay nofefena ny afo ary vetivety dia potika ny trano fihinanan’ny olona sakafo

Ny marainan’ny alatsinainy tokony ho tany amin’ny 2 ora tany ho any, nirehitra ny trano fivarotana miisa dimy eny amin’ny 67 Ha, eo akaikin’ny Bloc 6, tsy lavitra loatra ny biraon’ny paositra. Vokatr’izany haitrano izany, potika tanteraka tsy nisy azo noraisina ireo fivarotana ireo. Mpivarotra sakafo ny ankamaroan’ireo trano nirehitra ireo. Fotoana fikarakarana izany no nisehoan’ny loza. Ny loharanom-baovao re teny an-toerana no nahalalana fa afo avy tamin’ny fatana sariboa no nahatonga ny firehetana. Vetivety dia nitatra ny afo ary tsy voafehy intsony. Nantsoina ny mpamonjy voina ka vetivety ihany dia tonga teny an-toerana ry zareo. Nandritra ny 30 minitra teo ho eo no namonoana ny afo. Araka ny efa voalaza, tsy nisy azo noraisina ireo entana nirehitra ary mahatratra an-tapitrisa maro ny tetibidin’izany. Maro ny mpanjifa tonga misakafo amin’io toerana io manomboka voa maraina ka hatramin’ny alina.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser