Ny alarobia hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora tany ho any, tonga tany amin’ny biraon’ny polisy etsy amin’ny 67 Ha ny vehivavy iray tompona hotely eny an-toerana. Tonga nanao fitarainana ity olona ity, fa nisy andian-jiolahy nandroba tao amin’ny hoteliny. Ny filazany no nahafantarana fa, nisy olona hatrany amin’ny fito niditra tao aminy. Rehefa teo ireo olona ireo dia nitady ny vadiny. Tsy mbola tao an-trano anefa rangahy tamin’io fotoana io. Avy hatrany dia noteren’ireo an-dian’olona ireo ilay vehivavy hamoha ny efitrano ipetrahany. Raha tafiditra ry zalahy, hoy hatrany ny fitantarany, dia nalainy ny “unité centrale” iray, vola iray tapitrisa ariary sy finday enina. Rehefa azon’ireo olona izany, dia lasa nandeha niditra elanelantrano izay ireo tsy hita intsony. Maro moa ny resaka re teny an-toerana io hariva io. Nisy vaovao nilaza fa nitondra basy ireo olona ireo. Tsy anisan’ireo niditra ny trano anefa ireo voalaza fa nanana basy lava fa niandry teny ivelany. Ny nahavariana tamin’ity zavatra ity ary nomarihan’ny tompon’andrikitra, dia ny tsy nanairan’ilay voatafika ireo mpitandro filaminana marobe mitoby eo amin’ny Coum amin’izao fotoana izao. Tsy dia lavitra eo mantsy no misy ilay hotely. Naleony nandeha an-tongotra tany amin’ny biraon’ny polisy. Misarika ny sain’ny be sy ny maro ny tompon’andrikitry ny filaminana eny an-toerana, fa tokony hiantso avy hatrany ny laharana finday izay efa nozaraina izay sendra zavatra hafahafa. Be mantsy ny fotoana lany raha mbola handeha an-tongotra hamonjy birao. Efa lasa lavitra ny mpangalatra amin’izay fotoana izay ary ho sarotra ny hanenjika azy ireo.
r.s.