Efa ela no nikarohan’ny mpitandro filamina ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto amin’ny faritry ny renivohitra. Ny 12 septambra teo, nahitana vokany izany. Jiolahy roa no voasambora teny amin’ny 67 Ha tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Izany R. Christian Titan na Tax, « informaticien sy électricien », 48 taona. Ity olona ity dia havanana amin’ny fanalana ireny « alarme » ireny sy famohana « coffre fort ». Tratra niaraka taminy R.R. Rivo, « électricien », 40 taona. Nisy Scooter iray tany amin’izy ireo izay noraofina ihany koa. Nisesisesy mihitsy ny fanafihana mitampiadiana nanomboka ny janoary 2014 ka ny volana jolay sy aogositra 2014 no tena nanjaka izany tamin’iny faritra iny. Taorian’ny angom-baovao no nahazoana azy ireo. Rehefa nosavaina izy ireo, dia nahitana « matrice mandat d’amener » laharana faha1326, « matrice mandat de perquisition, matrice carte professionnelle » an’ny polisy, « matrice carte bleu », « matrice logo » zandarmaria ary « matrice emblème Repoblikan’i Madagasikara ». Heverina, hoy ny vaovao, fa fitaovana fampiasan-dry zalahy ireo rehetra ireo, rehefa manao ny asa ratsiny izy.
Nojerena ihany koa ny finday fampiasan’i Titan ka tamin’izany no nahitana anarana sy nomeraona jiolahy karohan’ny polisy fantatra amin’ny anarana hoe Gue sy Saïd sy ny hafa maro. Izy ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana maromaro teny amin’ny 67 Ha : kioska, fivarotana. Mbola ry zalahy ihany koa no fantatra fa nandroba teny Isotry sy Andavamamba. Basy mahery vaika toy ny kalach sy PA no fitondrany.
Manamarika ny polisy fa i GUE sy ireo namany ireo dia efa voasambotra tamin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana ny taona 2012, ka nahatratrarana bsy P.A roa ary dia voarohirohy tamin’ny asan-jiolahy mitam-piadiana miisa 22 teo Antananarivo sy tany amin’ny Faritra, fikambanan-jiolahy sy famonoana alona izay nekeny fa nataony avokoa tamin’io fotoana nahasamborana azy io sy nahavoafonja azy tany Tsiafahy niaraka tamin’ny namany enina. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa, efa mandehandeha sy manohy ny asa ratsiny any indray izy amin’izao fotoana izao.
r.s.