- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Jiolahy voatifitra teo amin’ny masony

67 Ha : Jiolahy voatifitra teo amin’ny masony

Mpanendaka iray no fantatra fa voatifitry ny polisy teo amin’ny masony ny alin’ny alarobia teo. Naratra mafy tokoa izy io ary mbola tsaboina any amin’ny hopitaly hatramin’izao. Teny amin’ny 67 Ha no nisehoan’izany. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nanendaka olona ny andian-jiolahy iray. Telo ry zalahy ary nitondra antsy maranitra. Avy hatrany dia nosakanany ireo mpandeha an-tongotra ireo ary tsy nisy sahy nihetsika. Norobainy avy eo. Tamin’io fotoana io anefa, nandalo ny mpitandro filaminana mpanao fisafoana ary nahita ny zavatra nitranga. Raha nahita izany ireo mpanendaka dia voalaza fa saika hanohitra an’ireo polisy. Tsy nisalasala ireto farany fa avy hatrany dia nampiasa ny fitaovana teny aminy. Tamin’izay no nahavoatifitra ny iray tamin’ireo jiolahy. Tsy afaka nihetsika izy ary tonga dia noraisim-potsiny. Raha nahita izany ireo namany roalahy dia rifatra nandositra nihazo ny elanelantrano maro eny an-toerana ary tsy hita izay nalehany. Mandeha ny fikarohana azy ireo amin’izao fotoana izao. Ilay maratra mbola eny amin’ny hopitaly. Voalazan’ny mponina eny amin’iny tanàna iny fa faritra mena ny 67 Ha. Saika isan’andro mantsy dia misy asan-jiolahy, fanendahana na gidragidra anaty trano fisotroana eny. Matetika miafara amina ady mandratra na mahafaty olona mihitsy izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser