Ela nitoratorahana ny jiolahy mpanendaka sy mpampihorohoro eny amin’ny faritr’i 67 Ha eny. Maty voatifitry ny polisin’ny SAG ny jiolahy iray avy nanendaka vehivavy teo amin’ny fiantsonan’ny Taxibe eny 67Ha, omaly. Polisy nanao fanamiana sivily manara-maso ireo andian-jiolahy eny amin’ny faritra 67ha no nahita ireo mpanendaka nitondra zava-maranitra ary nisintona ny poketran’ilay vehivavy io. Nandositra tany anaty elakelan-trano ireto mpanendaka ireto ary narahin’ ireo polisin’ny SAG avy aty aoriana. « Vao nahita ireo polisy nanenjika azy ny iray tamin’ireo mpanendaka dia niverin-dalana saika hampiasa ilay fitaovam-piadiana teny aminy, saingy ny an’ny mpitandro filaminana no tonga aloha ary izao lavon’ny bala izao ilay olon-dratsy », hoy ny fanazavana. « Efa tsy zoviana amin’ny olona mipetraka eny amin’ny faritra 67ha sy Andavamamba iny ity lehilahy ity noho ny asa fanendahana ataony », hoy ihany ny polisy.
Mampitaraina ny olona ny asa ratsy ataon’ny mpanendaka na maraina na antoandro na hariva. Izay tratrany aloha dia mandraingiraingy mihitsy. Maro ny faritra mafana amin’ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra, mampihorohoro ny olona. Ireo mpanendaka tsy vitan’ny manendaka fa sady mamono mihitsy raha sendra manohitra azy. Tahaka ny nahazo ilay artista niaro ny fananany izay nodarohan’ireo olon-dratsy ny herinandro teo. Miasa mafy ny mpitandro filaminana manoloana izany, satria ankoatra ny polisy manao fisafoana sy manenjika ireo jiolahy, misy koa ireo polisy miaramila manao fisafoana andro aman’alina eto an-drenivohitra. Ny irarian’ny olona dia ny hiasan’ireny eny amin’ireo faritra mafana ary hiditra an’elakelantrano mihitsy. Ny hanaovana haza lambo ny mpanendaka raha teo an-drenivohitra, ary ny dahalo raha any ambanivohitra. Na eo aza ity maty teny 67Ha ity, heverina fa mbola miriaria any ny namany ary mety hamaly faty. Andrasana ny fahatrarana ireo namany.
Yv Sam