Tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny “brigade criminelle” sakelika faharoa ( BC 2) ny olona iray nikasa hivarotra basy, teny amin’ny faritry ny 67 Ha Avaratra Atsinana tamin’ny alarobia 25 novambra teo. Hita tany amin’ny ny basy PA iray marika UNIC 7,62 m/m mitondra ny laharana 134 495 miaraka amina “chargeur” iray misy bala folo. Tamin’ny fisavana dia nahamarika ireo mpitandro filaminana fa sakaosy mainty no teny amin’ilay lehilahy. Tao anatiny, nisy boky miendrika baiboly. Rehefa nojerena akaiky io ka nosokafana dia tao ilay basy no nafenina. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva izy no voasambotra. Polisy iray miasa eny an-toerana no nahamarika fa hafahafa ny fihetsik’ity rangahy ity voalaza fa efa bebe taona ihany. Taorian’izany izy no nampandre ny BC. Rehefa natao ny fanadihadiana an’ity olona ity dia nilaza izy fa namany iray antsoina hoe Erno avy any Toamasina no nanome azy ilay basy hamidy aty Andrenivohitra. Tany Morondava ry zareo no nihaona teo am-pividianana trondro ary raikitra teo ny resaka, hoy hatrany ity lehilahy ity. Efa eo am-pikarohana an’io Erno io ny polisy amin’izao fotoana izao.
Omaly no niakatra teny amin’ny Fampanoavana izy ary nampidirina am-ponja vonjy maika eny Antanimora.
r.s.