- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Mody manao voadonan’ny fiara ny mpangalatra

67 Ha : Mody manao voadonan’ny fiara ny mpangalatra

Ireo mpanendaka.

Fomba efa fanaon’ny jiolahy sasany eto an-drenivohitra ihany izy ity saingy nahavita nampita ny vaovao ara-potoana ny olona tetsy 67ha. Fiara izay zara raha mihetsika ao anaty fitohanana no tena fanaon’ireo lasibatra. Raha mandeha kely ny fiara dia misy iray mitsoraka be eo anoloany ary milaza fa nodomin’ny fiara izany. Mody torana mihitsy ny olon-dratsy eo. Mazava hoazy fa mikoropaka ny tompon’ny fiara ary mivoaka avy hatrany. Amin’iny fotoana iny dia efa misy miditra ao anaty fiara ary maka ny entana ao. Izany hoe efa voatily mialoha avokoa izany ny ao anatin’ny fiara ary izay misy entana manintona azy ireo no mivadika ho lasibatra. Indrindra raha irery ny mpamily. Tsy nivoana tamin’izay ny zava-nisy tetsy 67ha. Roa lahy izy ireo no tompon’ny ketrika ka ny iray mody voadona ary ny faharoa mandroba. Niverimberina nanao ny asaratsiny izy roa lahy ary tonga teny amin’ny polisy ny momba izany. Nampanaovina fanamiana sivily ny polisy ary nanara-maso ny fifamoivoizan’ny olona. Iny tokoa fa nipoitra ireo roa lahy izay nanao ny mahazatra azy. Raikitra ny fifanenjehana ary dia voasambotra ihany ny olon-dratsy izay efa tazomina ao amin’ny kaomisaria 67ha ary hatolotra ny fampanoavana raha vao vita ny fanadihadiana. Isan’ny vahaolana amin’ny filaminan’ny mpampiasa fiara ny fitaratra mainty manoloana ny tranga toa izao. Iny mihitsy anefa ankehitriny no raràn’ny lalàna.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici