- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-Divers67 HA : Mpamily voatsindrona antsy tao anaty fiarany

67 HA : Mpamily voatsindrona antsy tao anaty fiarany

Lehilahy iray mpamily no naratra voatsindrona antsy tamin’ny tanany havia, tao anatin’ny fiara nentiny, omaly nisandratra andro, tetsy 67 HA Atsimo. Tampoka tamin’ilay niharam-boina ny zava-nitranga, satria raha iny izy mbola variana namaly hafatra tamin’ny findainy iny, tao anaty fitohanan’ny fiara, no nisy roalahy teo akaiky, ny iray nody nivarotra. Nibetroka azy ireo jiolahy mba hanomezana haingana ny finday, ary nandrangaranga antsy ny iray. Niezaka nampiakatra haingana ny fitaratry ny fiara ity niharam-boina, nefa tsindrona antsy no niandry, raha iny saika hanohitra iny. Lasan’ny mpanendaka ny findainy avo lenta. Rehefa vita ny “ opération ” tao anaty indray mipi-maso, dia nitsofoka elakelan-trano mihazo an’ Ankasina Atsimo iny ireo jiolahy, nanjavona. Tamin’io fotoana io, teo amin’ny manodidina betsaka olona, nefa nitazam-potsiny. Asa, noho ny tahotra ny valifaty sa nihevitra fa niady varotra ity mpamily ity sy ireo tontakely ! Mailaka sy matihanina ary sahy ny mpanao sinto-mahery amin’izao, ary mirongo fitaovam-piadiana hatrany.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser