- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-Divers67 HA : Mpanao "taxi-phone" voaendaka sy voatsatoka antsy

67 HA : Mpanao « taxi-phone » voaendaka sy voatsatoka antsy

Tovolahy mpanao taxi-phone handeha hody tratra alina no voatsatoky ny antsy teo amin’ny lamosiny, tetsy 67 ha Atsimo, afak’omaly alina. Raha ny vaovao azo dia dimilahy no nanaraka azy, izay tonga dia nandrahona sy naka ilay kitapo kely teny aminy nisy ny vola. Nanohitra ity tovolahy ka antsy avy hatrany no nitsena azy, ary ilay raika lahy tao aoriany no tsy nisalasala nanindrona azy. Tara fodiana ity tovolahy ity tamin’io, satria mbola nanatitra ny sipany. Rehefa azon’ireo olon-dratsy ny remby dia iny ireo tsy mataho-tody no tsy hita niditra tany an’anelakelan-trano. Amin’izao, ahiana mafy ny toe-pahasalamany.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser