Olona enina no nosamborin’ny polisy teny amin’ny faritry ny 67 Ha ny alakamisy sy zoma lasa teo. Fantatra amin’ny asa fanendahana sy sinto-mahery nataony izy ireo. Nanao hetsika manokana ny mpitandro filamina tamin’ireo andro ireo. Araka ny fantatra, marobe ny fitarainana voaray any amin’ny birao mikasina ny asan-jiolahy eny an-toerana. Niara-nisalahy tamin’izany ny avy ao amin’ny Unité d’Intervention rapide (UIR), ny Unité Spécialisée d’Intervention (USI) ary ny polisy avy ao amin’ny boriboritany faha-7. Saika isan’andro nohandrenesana fanendahana sy sinto-mahery eny amin’iny faritra iny.
Manana sahalan-taona 19 ka hatramin’ny 34 taona ireo voasambotra ireo. Indroa miantoana ny fisamborana ka ny telo tratra ny alakamsy ary ireo sisa ny zoma. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa mpamerin-keloka ry zalahy nosamborina ireo. Efa nisazy avokoa ny ankamaroany ary ny iray aza vao avy nivoaka ny fonja dia izao mameriny manendaka izao indray.
Manentana hatrany ny rehetra ny eo anivon’ny Polisim-pirenena mba tsy hikelisoroka amin’ny fanatonana mivantana na fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana amin’ny fisiana trangana tsy fandriampahalemana misy mba hahafahana manongotra ireny mpanao asa ratsy ireny hatramin’ny fotony.
Nangonin’i r.s.