Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fanendahana sy harom-paosy no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-7, ny marainan’ny alakamisy teo. Tratra ambodiomby ity olona ity. Saika isan’andro dia maro ny olona mametraka fitarainana any amin’ny mpitandfro filaminana fa voan’ny sintomahery na voaharona paosy. Nanao paik’ady ny polisy ka maro ireo mandeha eny an-dalana eny ary misy mihitsy aza ny manao fitafiana sivily. Nahomby ny tetika ka avy amin’izany no nahatratrarana an’ilay bandy. Io andro io ihany dia natolotra ny Fampanoavana ity jiolahy ity ary dia nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Manamarika ny mpitandro filaminana fa efa mpamerin-keloka ity olona ity.
r.s.