- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Mpanendaka mpamily taxi voasambotra ary nalefa eny Tsiafahy

67 Ha : Mpanendaka mpamily taxi voasambotra ary nalefa eny Tsiafahy

Lehilahy iray fantatra fa nanendaka mpitondra taxi, no voasambotry ny polisy tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, teny amin’ny faritry ny 67 Ha iny. Rehefa avy niatrika ny mpitsara mpanao famotorana ity olona ity, dia nalefa vonjy maika eny Tisafahy, hoy ny loharanom-baovao avy tamin’ny mpitandro ny filaminana.

Ny sabotsy lasa teo, nisy roalahy naka taxi teny amin’ny 67 Ha hitondra azy ireo. Natao ny adivarotra, ka dia raikitra fa hanatitra azy roalahy ireo ilay mpamily. Rehefa tonga tany amin’ny teorana naleha anefa, nilaza izy ireo fa haka ny vola, ka nampiandrasiny teo ilay saofera. Ny iray no nandeha fa ny faharoa niaraka nijanona tao anaty fiara. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa naharitra efa ho antsasakadiny ilay naka vola vao niverina. Nilaza anefa izy io fa tsy vita hatreo no hilany an’ilay fiara, fa mbola hentiny. Tsy nanome vola izy tamin’io fotoana io. Teo anatrehan’izany, tsy nanaiky ingahy mpamily ary nilaza fa tsy handeha, satria mbola tsy voaloa ny vola. Tamin’izay fotoana izay, tonga dia namoaka antsy ny iray ary nanambana ilay saofera, sady nitaky ny vola rehetra. Lasan’izy roalahy ny 38 000 ariary. Raha vao nahazo izany ireo olon-dratsy, dia lasa nandeha. Ny ampitso maraina, nametraka fitarainana tany amin’ny polisy ilay voaendaka. Nandalo teny amin’ny toerana nandraisany an’ireo olona roa izy ary dia hitany teo ireo. Nilaza haingana tany amin’ny mpitandro ny filaminana ilay saofera. Tonga dia nosamborina ry lehirony. Tratra tamin’izany ny iray. Rehefa vita ny fanadihadiana dia nalefa teny amin’ny fitsarana ary izao nidoboka am-ponja izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser