- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Mpanendaka telo lahy voasambotra

67 Ha : Mpanendaka telo lahy voasambotra

Mpanendaka miisa telo no fantatra fa voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-7 eny amin’ny 67 ha tamin’ny herinandro lasa teo. Amin’ny fotoana mampitohana ny fifamoivoizana sy amin’ny lalana ratsy no tena famelezan’izy ireo. Manao andiany maro ry zalahy ary mampiasa antsy maranitra. Olona avy lavitra iray vao tonga nandeha taxi no lasibatra tamin’izay tamin’iny lalana mandalo ny biraon’ny paositra iny. Tsy afaka nanohitra ilay lehilahy fa sendra ny be noho ny vitsy. Lasan’ireo jiolahy ny vola 20 000 ariary sy ny finday tany aminy. Tsy vitan’izany fa mbola noratrain’ireo olon-dratsy ihany koa izy. Efa tena mampitaraina ny mponina eny amin’iny faritra iny ny endaka miseho saika isan’andro. Nisy araka izany ny tsara sitrapo nahafantatra ireo bandy ireo ary afaka nanome vaovao ny mpitandro filaminana. Avy tamin’izany no nahasamborana ny telo tamin’ny dry zalahy. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa vao avy nigadra teny Antanimora ny rao lahy ary vao tamin’iny herinandro iny no nivoaka. Ny fahatelo indray zaza vao 16 taona monja. Efa naverina eny am-ponja avokoa izy ireo miandry ny fitsarana azy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser