Lehilahy miisa 06 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny boriboritany faha-fito 67ha teny amin’ny faritra 67ha ny alakamisy 27 septambra 2018 lasa teo noho ny antony fangalarana sy fanafenana ny vola sy basina teratany Sinoa iray avy any Toamasina. Rehefa tonga teto an-toerana ity vahiny ity dia nametraka ny sakaosiny tao amin’ny toeram-pivarotana Sinoa iray nampiantrano azy. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany maraina dia nisy tovolahy kely iray niditra tao amin’ilay toeram-pivarotana ary naka ny entan’ity vahiny ary lasa nandositra. Nisy mpiasa iray anefa nahita ny fihetsik’ity tovolahy ity ka niantso ireo mpiasa hafa hanenjika an’ilay tovolahy. Nifanenjehana tany anaty elakelan-trano ilay tovolahy ka tratra. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa dia nalain’ireto mpiasa ilay sakaosy izay nisy basy poleta iray miaraka amin’ny bala miisa 10 sy vola mitentina 2.000.000Ariary ary atontan-taratasy maro. Tsy naverin’izy ireo tamin’ny tompony anefa io sakaosy io fa nifampizaran’izy enindahy ny vola. Ny basy poleta kosa dia nalain’ny iray tamin’izy ireo. Rehefa nitory ilay very entana dia tratra ireto farana ary niaiky ny heloka vitany.
T.M.