- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-Divers67 HA : Mpivarotra fahana telefaona voaendaka sy voatifitra

67 HA : Mpivarotra fahana telefaona voaendaka sy voatifitra

Omaly tokony ho tany amin’ny 12 ora tany ho any, nisahotaka ny teny amin’ny faritry ny 67 Ha. Nirefotra ny basy, lehilahy no voatifitra teo amin’ny feny ary maratra mafy tokoa tsy maintsy nentina tany amin’ny hopitaly. Tamin’io ora voalaza io, tonga hanatitra fahana teny amin’ireny mpanjifa telefaona ireny ny lehilahy iray. Tsy fantatra na efa fantatr’ireo mpanendaka izany na ahoana fa rehefa teo amin’ny toerana iray, avy hatrany dia nisy olona roa nanatona azy. Tsy nisy resaka fa nosintonin’izy roalahy ireo ny sakaosy teny aminy. Tsy nanaiky mora foana anefa ity voaendaka fa nanohitra. Voalazan’ireo nahita fa tsy nisalasala ireo mpandroba nitifitra avy hatrany. Voa teo amin’ny feny ilay mpamatsy fahana ary tsy afaka nihetsika intsony. Raha vao nahazo ilay vola ireo jiolahy dia lasa nandeha. Tsy nisy sahy nanakana azy ireo noho ny tahotra ny basy. Nifangaro tamin’ireo olona marobe teny an-toerana ary tsy hita avy eo. Nitangorona teo amin’ilay maratra ny rehetra ary dia nisy ny nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Very tamin’io fanendahana io  ny vola hatrany amin’ny 3 tapitrisa ariary, fahana marobe mbola saika haterina.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser