- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Nampangain’ny finday halatra teny an-tànany ilay mpanendaka

67 ha : Nampangain’ny finday halatra teny an-tànany ilay mpanendaka

Polisin’ny UIR nanao ny asa fisafoana izay fanaony teny amin’ny faritra 67 Ha iny no nifanena tamina lehilahy iray, ny alakamisy, 05 mars 2020 tokony ho tamin’ny 9 ora sasany alina. Nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamin’ity lehilahy ity ny Polisy ka dia niroso tamin’ny fisavana sy fanadihadiana azy. Rehefa nosavaina izy, dia nahitana finday marika Samsung iray teny aminy. Nandritra ny fotoana nisavana sy nanadihadiana azy, dia nisy olona niantso ilay finday ka rehefa noraisin’ny polisy ilay antso, dia nisy vehivavy niresaka tamin’izy ireo ary nilaza fa an’ny vadiny io finday io ary vao nisy nanendaka vao teo no ho eo. Notazonina avy hatrany ity lehilahy ity ka nentina nanaovana fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny Polisy. Niaiky moa ity jiolahy ity nandritra ny fanadihadiana natao azy, fa tena avy nanendaka teny amin’iny faritra 67 Ha akaikin’ny Parking iny izy no nifanehitra tamin’ny Polisy. Nanoro ny namany izay niaraka nanao ny asa ratsy taminy izy ka voasambotra io andro io ihany koa ilay namany.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici