- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Noraisi-potsiny ilay mpanendaka vehivavy

67 ha : Noraisi-potsiny ilay mpanendaka vehivavy

Lehilahy 01 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny CSP7 ny talata faha 31 desambra 2019 lasa teo rehefa avy nanendaka vehivavy 01 teo amin’ny Fihatsonan’ny Taxibe 119. Tokony ho tamin’ny 08 ora maraina, Vehivavy niandry fiara fitanterana teo amin’ny fihantsonany no tsikaritr’ity lehilahy 41 taona fa manao kavina volamena. Nojokoin’ity farany avy ao aoriana avy hatrany ary ilay vehivavy ka nosintoniny ilay kavina dia lasa nandositra izy. Niantso vonjy ilay voahendaka ka polisy niasa nanodidina teo no nanenjika avy hatrany ity mpanendaka. Tsy lavitra teo dia voasambotra izy ary nentina tao amin’ny CSP 7 ao 67ha hanaovana fanadihadiana azy. Niaiky ny helony avy hatrany ity lehilahy ity, ary efa naverina tamin’ny tompony ilay ila-kavina izay vao avy norobainy.

T.M

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici