- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-Divers67 Ha : Polisy handeha hody voaendaka

67 Ha : Polisy handeha hody voaendaka

Omaly zoma maraina be tokony ho tamin’ny 4 ora, polisy iray nandeha nody no nifanehitra tamina mpanendaka roalahy teny amin’ny faritry ny 67 Ha ,tsy lavitra loatra ny “commissariat”. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa avy niasa ity mpitandro filaminana ity tamin’io fotoana io ary nanatitra ny basiny tany amin’ny toeram-piasany. Tamin’izay fotoana izay indrindra no sendra ireto bandy roa ireto izy. Niezaka nanohitra ny anao lahy ka tamin’izany no nandratran’ireo jiolahy azy. Sendra ny be noho vitsy, hoy ny fitenenana. Vokany, lasan’ireo bandy ny telefonina tany aminy. Soa aloha fa efa voaatitra ny basy vao nisy ny fanendahana azy. Naratra be tokoa ity olona ity, hoy ihany ny vaovao voaray. Raha vao nahazo ny zavatra teny aminy moa ireo mpanendaka dia lasa nandositra. Tsy hay na fantatr’izy ireo fa mpitandro filaminana io nendahany na tsia.

Faritra voalaza fa mena iny eny amin’ny 67 Ha sy ny manodidina azy akaiky iny. Saika isak’alina no nandrenesana olona voaendaka sy voadaroka. Ny mponina dia samy niaik fa raha vao manomboka maizina ny andro, dia efa manahirana ny fandehanana mamonjy fodiana. Ny ady anaty trano fisotroana, manginy fotsiny.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser