Nisandoka ho pôlisy miasa eo anivon’ny sampan-draharahan’ny fiarovana ny sisin-tany izy ary niditra tao anaty toeram-panaovana “karaoké” iray tetsy amin’ny cité des 67ha atsimo. Ny voalohan’ny volana oktobra teo no nanatontosany izany, amin’ny andro tokony ho amin’ny sivy ora sy sasany alina. Nitondra fiara tsy mataho-dàlana mihitsy ity mpisandoka ho mpitandro ny filaminana ity ary ampidiriny ao ireo olona, izay notereny hanome vola iray tapitrisa ariary ho azy nony avy eo, raha tsy izany norahonana hanokafana fanadihadiana sy hidiana anaty “violon”. Tsy nisy afa-tsy 50.000 ariary tany amin’ilay olona ary tonga dia noraofin’ilay pôlisy sandoka aloha izany. Taorian’izay indray dia hotereny natoro azy ny trano ary nentina tany izy. Tonga tao dia avy hatrany dia noraofin’ity “pôlisy” avokoa izay entana mora nentina nefa lafo vidy. Isan’izany ny solosaina, ny fitaovana fampiasana amin’ny fanamafisam-peo sns. Nametraka fitoriana teny amin’ny pôlisy ilay voasoloky ary niainga tamin’izany ny fanadihadiana. Voasambotra ny talata teo teny Itaosy io farany ary naiditra am-ponja vonjimaika rehefa natolotra ny fampanoavana noho ny fisandohana andraikitra mba entina misoloky.
D.R