- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-Divers67 ha : Raikitra ny sakoroka, nitifitra ny GIR

67 ha : Raikitra ny sakoroka, nitifitra ny GIR

67-haTao anaty toeram-pisotroana no raikitra ny fifamaliana teo anivon’ny andian’olona roa karazana. Niakatra ny toaka, niakatra ihany koa ny hafanana ary ny niafarany dia tonga hatramin’ny fifampitorahan-tseza sy ny fifampikasihan-tànana. Tsy voafehin’ny olon-tsotra mihitsy izany satria vatan-dehilahy marobe no indray niditra an-tsehatra tao anatiny. Nisy nampandre ny pôlisy ary ireo avy amin’ny hery vonjy taitra avy hatrany, na GIR, no tonga teo an-toerana. Mbola nisy ihany ny bevava sy ny tsy azo notenenina tsotra. Mbola nisy ihany koa ny nanohy ny ady. Vokany, tsy maintsy nanapoaka basy ireo pôlisy mba hampitahorana ireo olona niady. Nandritra ity tranga omaly hariva ity dia nisy ny fisamborana. Raha araka ny lehiben’ny pôlisy nanontanianay dia nisy iray tsy maintsy nalaina. Ny kaomisaria misahana ny boriborintany fahafito no nanaterana azy ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany momba ity raharaha ity. Taitra ny manodidina raha nandre ny feom-basy. Nitangorona ihany koa ireo sendra nandalo ka nahita ny sakoroka. Isan’ny kartie tena maro olona rahateo iny toerana iny hany ka vetivety dia tonga ireo liana ny hijery. 67ha dia isan’ny kartie lehibe indrindra eto an-drenivohitra ary isan’ny maro olona mipetraka ihany koa. Ny fitaran’ny toeran-danonana izay tao anatin’ny taona vitsy monja dia feno, dia lasa mitarika olona maro. Voasintona ihany koa araka izany ireo olon-dratsy. Etsy andaniny ihany koa ireo olona mamo izay mila ady. Vokany, lasa mateti-pitranga na ny fanendahana na ny adiady etsy sy eroa eny amin’iny toerana iny. Momba ny tranga omaly, raha tsy tonga vetivety ireo olon’ny GIR dia asa izay mety ho tohiny teo…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser