- Publicité SW45 -
jeudi, février 13, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Resaka ady tany

67 Ha : Resaka ady tany

Nisy ny fifanolanana teo amin’ny fokonolona sy ny Zanak’Avaratra mikasika ny tany manoloana ny fiangonana Salema Vaovao eo amin’ny 67 Ha. Nisy noho izany ny fihetsiketsehana teo amin’io toerana io. Ny olana dia ny Zanak’Avaratra dia manambara fa aza io tany io, satria efa novidiany tamin’ny Seimad. Etsy ankilany ny fokonolona izay manambara fa parking no nisy teo hatramin’izay. Raha araka ny feo mandeha dia hanangana hotely lehibe eo ny Zanak’Avaratra. Eo indrindra no ipetrahan’ny olana, satria ireo izay manana fiara mipetraka eo dia voatery hitady toeran-kafa. Ny resaka “parking” anefa dia tena olana raha eto amin’ny renivohitra no tenenina. Raha ny fahitana azy dia tsy mahatapaka ny Fokontany noho izany tsy maintsy hiakatra sehatra ambonibony kokoa ny raharaha. Ho hita moa izay tohiny.

Dominique R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser