Ny talata alina tokony ho tany amin’ny 10 ora tany ho any, nisy ady saritaka tao anaty trano fisotroana iray teny amin’ny faritry ny 67 Ha. Vokany, tovolahy kely iray no maratra mafy voatsatoka antsy. Rehefa nojerena akaiky, maromaro ireo dian’antsy hita tamin’ny tenany. Manaraka fitsaboina eny aminn’y hopitaly izy amin’izao fotoana izao. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa zavatra tsy dia toy inona akory no nahatonga ity ady saritaka ity. Nitsangana ilay tovoalahy. Rehefa nandalo teo amin’ny latabatra iray anefa, nandona tsy nahy vera iray izy. Vaky ilay vera. Any anaty Bar misy hatrany ny soratra fa izay mamaky vera dia mandoa ny vidin’izany. tsy fantatra anefa fa tezitra vokatr’izany ireo olona mpanjifa ary nitabataba. Tsy vitan’izany fa voalazan’ny vaovao fa niditra an-tsehatra ihany koa ny mpiasa tao amin’ilay trano fisotroana. Teo , tsy fantatra marina izay niseho. Asa na tsy nety nanolo ilay vera vaky ilay nandona na ahoana fa nisavoritaka ny rehetra. Nisy ny sakoroka izay niafara tamin’ny tsindron’antsy nahavoa ilay tovolahy. Testy andainy, raha vao nahita ny zavatra niseho ny olona dia niantso polisy. Tonga tao ami’ilay toerana izy ireo nanadiahady. Rehefa izany dia olona maromaro no nosamborina ary nentiny nandeha tany amin’ny biraony nohadihadiana.
Nangonin’I r.s.