Tsy nampoizin’ny maro ny zava-nitranga. Nivoaka ny taxi-be ilay mpamily dia nanambana olona, mpandeha tamin’ny fiara nentiny ihany, tamin’ny basy. Nisy nahatsikaritra izany ka nisintona ilay fitaovam-piadiana teny an-tànany. Nirefotra ilay basy tao anatin’izay fifandirana izay ka nahavoa ny olona iray tao anatin’ilay taxi-be mampitohy an’Itaosy raha avy eto Andrenivohitra. Afak’omaly tokony ho tamin’ny fito ora hariva no nitrangan’izany teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo 67ha. Raha ny fanazavan’ny olona dia tao anatin’ny fisisihana tanteraka ny mpandeha satria efa samy maika ny hody, ny fotoana rahateo tao anatin’ny firavàna mihitsy. Vokatr’izay dia nifandona sy nikorontana. Nohidin’ny resevera ny varavarana rehefa hitany fa tsy tafiditra intsony mihitsy ny olona. Teo no nisy tezitra dia nikasi-tànana. Nahita izany ny saofera dia tezitra ary nidina. Saingy ny tsy nampoizina dia ny famoahany fitaovam-piadiana : basy. Tsy vitan’izay fa nentiny nandrahona ireo olona teo izany. Nifampisintonana izany ary rehefa azo dia nosamborin’ny olona ihany koa izy dia nentina teny anivon’ny kaomisaria. Ny naratra kosa dia nentina teny amin’ny Hjra ary natao ny fitsaboana azy. Teo amin’ny fitombenany no voan’ny bala raha araka ny fanazavana tsotsotra azo teny an-toerana. Ahoana ny fomba nananan’ny saofera taxi-be basy? Anjaran’ny tsirairay ny mieritretitra.
D.R