- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Sokatra 101 saika haondrana any ivelany

67 Ha : Sokatra 101 saika haondrana any ivelany

sokatraZana-tsokatra miisa hatrany amin’ny 101 saika alefa any ivelany no tratran’ny mpiasan’ny ladoany avy ao amin’ny sampadraharaha misahana ny fanarahamaso sy ny ady atao amin’ny trafika isan-karazany teny amin’ny 67Ha, omaly tolakandro. Ny vaovao no nahafantarana fa vehivavy iray no sarona raha saika hanome valizy iray nisy an’ireo biby tany amina olona iray. Tamin’izay fotoana izay indrindra no niditra an-tsehatra ny mpiasan’ny ladoany. Ny loharanom-baovao hatrany no hilazana fa efa fotoana elaela no natao ny fanaraha-maso an’ity trafika ity. Lehilahy roa, samy teratany malagasy, no narahi-maso tamin’izay. Tratra izy ireo amin’izao fotoana izao ary hiatrika ny Fampanoavana tsy ho ela, hoy hatrany ny vaovao. Fantatra fa ankoatra azy ireo dia misy teratany vahiny koa voarohirohy amin’ity fanondranana sokatra ity.

Tany aloha, teny amin’ny seranampiaramanidina eny Ivato matetika no tratra ny trafika amin’ny fandefasana sokatra any ivelany. Mba hamongorana ifotony ny fandehan-javatra anefa, niova tetika ny avy ao amin’ny ladoany. Nisy ireo nanao fisafoana any amin’ny faritra rehetra any mitady vaovao. Milaza izy ireo fa ampahany ihany ireo 101 tratra ireo fa mbola be dia be no fantatra fa efa voaangon’ireo mpanao trafika.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici