Omaly tamin’ny 12 ora antoandro, nivadika teny amin’ny toerana antsoina hoe Vatobe, eny amin’ny 67 Ha eo akaikin’ny trano Ny Havana, ny taxi-be iray mampitohy ny renivohitra amin’Ivato. Vokany, olona eo amin’ny folo eo no fantatra fa naratra, valo tao amin’ilay taxi-be ary mpandeha an-tongotra roa ny ambiny. Fiara roa sy sarety iray no indray nodomin’ity taxi-be ity. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nandeha mafy tokoa ity fiara ity. Nanamafy izany ny polisy mpandamina ny fifamoivoizana teny an-toerana. Talohan’ny nivadihany dia nandona sarety nandeha teo alohany ny fiara. Avy eo nifatratra tamina taxi roa. Nisy araka izany ny tsy fanarahan-dalana nataon’ny mpamily, hoy hatrany voavao. Ny fandehanana mafy moa tsy lazaina intsony, hoy ireo mpanjifa. “Mihevitra ry zalahy ireo fa tsy olona no entiny fa sanatria omby”, hoy ity raim-pianakavina iray tafaresaka taminay.
Efa mampitaraina ny mpanjifa ny zavatra ataon’ny mpamily sasany amin’ity zotra ity, tsy vao izao fa efa tany aloha ela tany. Ny tena ratsy amin’izany dia ilay lazain’izy ireo hoe “mihodina”, tsy tonga any amin’ny toerana tokony halehany dia miverina, ary dia asaina miala eny an-tenantenan-dalana ny mpandeha. Misy ny mody miantso ny fiara eo alohany hitondra ireo mpandeha ireo. Dia vitan’izay ny zavatra. “Izany no iainanay, taona maro nifanesy izao”, hoy ny feo re teny an-toerana.
Raha voa niseho ny loza dia lasa niala ny toerana ilay mpamily. Efa misokatra ny fahadihadiana amin’io fotoana izao.
r.s.



