- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67 HA : Tovolahy voaroaka tamin’ny asany, maty namono tena

67 HA : Tovolahy voaroaka tamin’ny asany, maty namono tena

Tovolahy iray 27 taona monina etsy 67 ha no maty namono tena nitelina poizina, afak’omaly alina. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany dia noho ny famoizam-po vokatry ny fandaozany ny asany (voaroaka) ny zoma lasa teo, no nanosika ity tovolahy ity nanampitra ny ainy izao. Nanomboka ny asabotsy teo izy no nivarilavo nisotro niboboka toaka ary mila vaniny amin’olona isaky ny mamo. Ny alatsinainy hariva, nifamaly tamin-dreniny ny tenany izay efa mamo tampona. Samy gaga anefa ny rehetra nony naraina ny andro fa vatana mangatsiaka tsy nisy aina no hitan’ny rehetra. Nomarihan’ny loharanom-baovao fa manana olana ara-tsaina ity tovolahy ity ary misy andro mampihetsika ny aretiny, ka matetika tsy tompon’ny tenany izy ka manaotao fahatany.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser