Nahery fitsoka ny rivotra ka vetivety dia niitatra ny afo. Tsy fantatra mazava izay niaviany, tao ny nilaza fa niniana natao ilay izy
Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray ny sabotsy maraina teo tetsy amin’ny 67 ha. Vokatr’izany, trano fito no indray levona. Ny loharanom-baovao voaray teny an-toerana no nahalalana fa iray no nirehitra voalohany ary dia nifindra tamin’ireo teo akaikiny izany. Trano hazo ity may voalohany ity. Nisy nampandre ny mpomono afo avy ao Tsaralalàna ary tsy dia ela izy ireo dia tonga teny an-toerana. Somary sorotsarotra ihany anefa ny niady tamin’ny fahamaizana noho ny tsy fisian’ny rano akaiky. Tamin’ny farany, fito ny trano voalaza fa kila. Ny avy ao Tsaralalana niteny fa dimy no tena tsy nisy azo noraisina mihitsy. Potika tanteraka ny entana rehetra tao anatiny. Hatramin’izao, tsy fantatra marina ny fototry ny afo. Resaka heno teny an-toerana no hilazana fa toa niniana natao ity fandoroana ity. Nitangorona marobe ny olona tamin’io sabotsy io ary samy nanana ny filazany. Ao ny niteny fa nahare fofona lasantsy. Ny sasany nilaza fa nisy olona mpihavana tsy nifankahazo ary dia niafara tamin’ny fandoroana trano. samy honohono avokoa anefa izany rehetra izany. Efa mandeha ny fanadihadiana atoan’ny tompon’andraikitra amin’izao fahamaizana izao. Ny valin’izany no andrasan’ny rehetra. Tsy nisy aloha ny olona naratra na ny aina nafoy tamin’ity firehetan’ny trano ity, fa samy afaka nanavotr’aina ny rehetra.
r.s.