- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha- trano may : Ramatoa iray marary teo am-pandriana maty kila...

67 ha- trano may : Ramatoa iray marary teo am-pandriana maty kila forehitra

Hain-trano mahatsiravina no niseho tetsy 67ha Atsimo, omaly maraina. Trano ambony rihana tamin’irony trano mitovy rafitra irony no levon’ny afo. Tao anatin’izany, ramatoa lehibe iray no namoy ainy, kilan’ny afo tanteraka.

Hatairana ny amin’ireo manodidina raha nahita ity setroka nijolofotra, nanamainty ny lanitra teny amin’iny faritra iny, tokony ho tamin’ny fito ora maraina. Velona avy hatrany ny akoralava nanaitra ireo mponina rehefa nanomboka niseho tety ivelany ny lela afo. Nikoropaka ny olona ary samy nanao izay ho afany avokoa niezaka namonjy namono ny afo. Tonga avy hatrany teny an-toerana ihany ireo mpamonjy voina taorian’ny antson’ireo mponina. Efa nirehitra elaela ny afo vao fantatra fa mbola nisy olona tavela tao anatiny. Vehivavy iray, izay fantatra fa mbola marary sy nandamaka teo am-pandriana. Niezaka namonjy ity vehivavy lehibe ity ny rehetra saingy indrisy, efa vatana tsy misy aina intsony, mikarainkon’ny afo sisa no nosokirina tao ambanin’ireo tapa-porohana. Raha ny fantatra, fipoahana “gaz” tao an-trano no nahatonga ity loza mahatsiravina ity. Noho izay, fotoana elaela ihany vao voafehy tanteraka ny afo. Somary nampanano sarotra ireo mpamonjy voina ihany izany. Ny lalana tery rahateo, kanefa ny olona tomefy aok’izany. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-misy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nanokatra fanadihadiana kosa tetsy an-danin’izay ireo mpitandro filaminana. Mila fitandremana fatratra araka izany ny fampiasana itony “gaz” itony. Indrindra fa amin’izao andro mafana sy mahamay izao, hisorohona ny loza mety hitranga.

Manitrisa / m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici