- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67 Ha : Tsy lany paik’ady ny mpangalatra sy mpanendaka

67 Ha : Tsy lany paik’ady ny mpangalatra sy mpanendaka

Tamin’ny zoma lasa teo, nitohana ny fifamoivoizana teny amin’ny faritry ny 67 Ha. Raha iny variana iny mpamily iray no nisy nikapoka mafy be ny fiarany. Taitra izy ary lasa nivoka nijery izay zavatra niseho. Tsy nahita na inona na inona anefa koa dia niverina niditra ny fiara. Akory anefa ny hatairany fa tsy tao intsony ny entana napetrany tao fa nisy naka tao anatin’ny indray mipy maso. Very tamin’izany ny vola 1,9 tapitrisa ariary, vatosoa 680 gr, finday ery zavatra maro hafa. Kepoka fotsiny izy nandeha nampilaza tany amin’ny mpitandro filaminana. Tonga teny amin’ny toerana nisehoan’ny halatra ireto farany ary raikitra ny fanadihadiana. Nisy nahita moa izany fandehan-javatra izany ary avy amin’ny vaovao voaray no nahazoana nikaroka ireo mpangalatra. Tsy niandry ela fa ny sabotsy ihany dia olona telolahy no voasambotra teny Andranomanalina. Voalazan’ny vaovao fa eny izy ireo no monina. Rehefa natao ny fanadiahadiana dia nilaza izy ireo fa naka ireo zavatra marobe ireo. Mbola hita tany amin-dry zalahy ny sasany. Ny vola kosa dia efa voazara.

Maro ny fomba handrebireben’ny mpangalatra anaty fiara ny olona. Indraindray, mody mitosofka ao ambany ao izy ary raha vao mivoaka ny mpamily manontany azy dia lazaina fa lasa ao ny kapany. Ny namany anefa efa maka ny entana. Eo koa ny fanozongozonana ny fiara. Taitra ilay mpamily mivoaka. Very ao anatin’ny minitra iray na roa ny zavatra ao anaty fiarany.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana eny Anosy izy telo ireto lahy tratra tamin’ny sabotsy. Fantatra moa fa efa avy nigadra ny iray tamin’izy ireo noho ny resaka halatra sy endaka.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser