Trangam-piarahamonina hafakely ity entina aminao mpamaky androany ity. Tovovavy iray 24 taona avy any Atsimo mila ravinahitra eto an-drenivohitra, monina etsy 67 ha, no niteraka kambana telolahy, ny alin’ny asabotsy teo. Salama tsara ireo zaza raha ny fahitana azy, na dia hita ho somary reraka aza ny reniny. Tsy fantatra izay rain’ireto zaza ireto, fa be loatra, hoy ity tovovavy ity, ireo lehilahy niaraka taminy (maman’i coktail), satria ny asa fivarotan-tena no ivelomany.
Tsy fantatra ny rain-jaza. Nanda ho rain’ireo zaza ireo ilay lehilahy iray mihaja niaraka taminy namangy azy ny alahady teo, satria samy hafa loko ireo zazamenavava (ny roa mainty, fa ny iray kely maso ohatra ny zanaka sinoa), ary samy gaga izay nahita. Raha ny fanazavana fohy nomen’ity tovovavy bikana niteraka kambana telo ity dia nanomboka teo amin’ny faha-17 taonany izy no nivaro-tena , rehefa tsy afaka BEPC. Tsy mba nanao fanabeazana aizana ohatra ny tovovavy zanaky ny alina rehetra ny tenany fa matahotra ny hivoraka hono !
Eric Man