- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Vehivavy voaendaka teny amin’ny fiantsonan’ny bus 172

67 ha : Vehivavy voaendaka teny amin’ny fiantsonan’ny bus 172

Lehilahy iray 19 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriboritany faha-7 etsy amin’ny 67 ha ny alatsinainy 11 may lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva noho ny resaka fanendahana. Tovovay iray niala tamin’ny fiara fitanteram-bahoaka (bus) avy any Ambohitrimanjaka no lasibatr’ity tovolahy ity teo amin’ny fiantsonan’ny Bus 172 eo akaikin’ny Tranom-piatohana « Ny Havana » tamin’io fotoana io. Andian-jiolahy maromaro ireto mpanedaka ka lasan’izy ireo tamin’izany ny poketran’ity tovovzvy ity izay nisy vola mitentina 1 500 000 ariary. Sy finday iray ary fanalahidy maromaro. Vaoitranga izany dia nanantona ireo polisy izay nanao ny asa fisafoana sy fitandroana ny filaminana teny an-toerana avy hatrany ity voaroba. Raikitra ny fanenjehana satria mbola tazana teny ireo olon-dratsy. Sarona tamin’izany ity tovolahy ity fa ny namany kosa tafaporitsaka. Nandritra ny fanadihadiana dia nilaza ity tovovavy ity fa tena io lehilahy io tokoa no nanendaka azy saingy tsy tratra teny amin’ity farany intsony ireo entana very izay azo heverina fa efa lasan’ireo jiolahy namany. Natolotra ny fampanoavana ny 12 may teo moa ity farany ary efa nahiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici