Mahomby ilay paikady hatreto. Tsy inona izany fa ny polisy izay manao fanamiana sivily ary mifangaro amin’ny besinimaro. « Tetsy amin’ny faritra FTA II sy New Eden ny sabotsy faha 4 septambra 2021 teo raha mbola teo am-pikasana hanendaka tovovavy no voasambotra ny lehilahy iray. Tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro, raha nitsofoka elankelan-trano ny polisy no nahita lehilahy iray kaodikaody, nanaraka tovovavy roa. Teo am-panaovana ny asaratsiny ilay olon-dratsy no niditra an-tsehatra tampoka ny polisy nanao fanamiana sivily ary tsy lasa lavitra dia voasambotra » raha araka ny fanazavan’ny polisy. Notohizan’ireo farany fa nandritry ny fanadihadiana dia nanamarina ilay jiolahy fa efa mpamerin-keloka ary efa nifonja tao Antanimora izy taloha. Tsy vitan’izay aza fa vao nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy koa izy ny volana febroary teo noho ny fanendahana izay nampiasany sabatra. Niverina nidoboka am-ponja omaly indray ilay mpanendaka. Raha toa efa mamperin-keloka izy ary efa nandalovany avokoa ny fonja eto Analamanga, toa mampanontany tena hoe tsy ahoan’ireo jiolahy intsony ve izany ny famonjàna ?
D.R